1 Samuel 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nifantina telo arivo lahy tamin’ny Israely i Saoly, koa ny roa arivo lahy dia niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela, ary ny arivo lahy niaraka tamin’i Jonatana tany Gibean’i Benjamina; ny olona sisa kosa samy nalefany hody any an-dainy avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin’ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr’i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin’i Jônatàna tao Gibehàn’i Benjamîna. Ary ny vahoaka sisa dia nasain’i Saoly nody any aminy avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nifantina telo arivo lahy tamin’ny Israely i Saoly, koa ny roa arivo lahy dia niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela, ary ny arivo lahy niaraka tamin’i Jonatana tany Gibean’i Benjamina; ny olona sisa kosa samy nalefany hody any an-dainy avy.
malagasy