1 Samuel 13:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny saran’ny fandranitany ny angady, ny fiasana vy, ny telorantsana, ny famaky ary ny fanitsiana ny fanindronan’omby dia roa ampahatelon’ny sekela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hany ka dombo matetika ny lela angady, ny angady mibaka roa, ny angady telo rantsana sy ny famaky, ary tsy voahitsy indray ny fanindronana omby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanasana lelan’angadinomby na lapika, na famaky, na angady na ny fanindronan’omby dia mitentina androatokon’ny sekela volafotsy.
Malagasy Bible 1865
Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny saran’ny fandranitany ny angady, ny fiasana vy, ny telorantsana, ny famaky ary ny fanitsiana ny fanindronan’omby dia roa ampahatelon’ny sekela.
malagasy
Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.