1 Samuel 13:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tamin’ny fotoana niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tanan’ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin’i Saoly sy i Jonatana; fa i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no nanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho izany dia indro fa tamin’ny andro hiadiana dia tsy nisy lefona na sabatra teo an-tanan’ny vahoaka rehetra nomba an’i Saola sy i Jônatasy, fa teo an-tanan’i Saola sy i Jônatasy zanany ihany no nisy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tamin’ny andro nipoahan’ny ady dia tanam-polo no nentin’ny miaramila israelita; i Saoly sy i Jônatàna zanany ihany no mba nanana sabatra sy lefona.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tamin’ny fotoana niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tanan’ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin’i Saoly sy i Jonatana; fa i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no nanana.
malagasy
Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.