1 Samuel 13:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namely ny miaramilan’ny Filistina izay tany Geba i Jonatana ka ren’ny Filistina izany. Ary nampitsoka anjomara teny amin’ny tany rehetra i Saoly ka niteny hoe: Aoka handre ny Hebreo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namely ny miaramilan’ny Filistinina izay tao Gabea i Jônatasy ka ren’ny Filistinina izany. Ary nampitsoka ny trômpetra tany amin’ny tany rehetra i Saola ka nanao hoe: «Aoka handre ny Hebrio».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»
Malagasy Bible 1865
Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namely ny miaramilan’ny Filistina izay tany Geba i Jonatana ka ren’ny Filistina izany. Ary nampitsoka anjomara teny amin’ny tany rehetra i Saoly ka niteny hoe: Aoka handre ny Hebreo!
malagasy
Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.