1 Samuel 13:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ren’ny Israely rehetra fa namely ny miaramilan’ny Filistina i Saoly, hany ka halan’ny Filistina ny Israely. Dia nivory hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ren’i Israely rehetra ny vaovao: Namely ny miaramilan’ny Filistinina i Saola, ary tonga mahadikidiky ny Filistinina aza i Israely. Ary nantsoina ho any amin’i Saola any Galgalà ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin’i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran’ny Filistinina tamin’i Israely izany. Dia nivory nanaraka an’i Saoly tany Gilgala ny tafiny.
Malagasy Bible 1865
Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ren’ny Israely rehetra fa namely ny miaramilan’ny Filistina i Saoly, hany ka halan’ny Filistina ny Israely. Dia nivory hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala ny olona.
malagasy
Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.