1 Samuel 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Filistina telo alina an-kalesy fitondra miady sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina no nivory hiady tamin’ny Israely; ary nandeha izy ireo ka nitoby tany Mikmasy, any atsinanan’i Bety-Avena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Filistinina kosa tetsy an-danin’izany dia vory lanona mba hiady amin’i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan’i Bèty-Avena.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Filistina telo alina an-kalesy fitondra miady sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina no nivory hiady tamin’ny Israely; ary nandeha izy ireo ka nitoby tany Mikmasy, any atsinanan’i Bety-Avena.
malagasy