1 Samuel 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely fa latsaka an-katerena izy, satria nijaly mafy ny olona, dia niery tany amin’ny zohy sy tany amin’ny kirihitrala, tany amin’ny harambato sy tany amin’ny fierena ary tany amin’ny lavaka famorian-drano izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin’ny haram-bato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin’ny harambato sy tany ambanin’ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely fa latsaka an-katerena izy, satria nijaly mafy ny olona, dia niery tany amin’ny zohy sy tany amin’ny kirihitrala, tany amin’ny harambato sy tany amin’ny fierena ary tany amin’ny lavaka famorian-drano izy ireo.
malagasy