1 Samuel 14:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indray andro dia hoy i Jonatana zanak’i Saoly tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankeny amin’ny miaramilan’ny Filistina izay erỳ ampita erỳ. Tsy nilaza izany tamin’ny rainy anefa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro izay, hoy i Jônatasy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiny: «Andeha isika hiampita eny amin’ny antoko miaramilan’ny Filistinina erỳ an-dafy». Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, dia hoy i Jônatàna zanakalahin’i Saoly tamin’ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ny miaramila Filistinina erỳ ampita erỳ. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jônatàna.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indray andro dia hoy i Jonatana zanak’i Saoly tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankeny amin’ny miaramilan’ny Filistina izay erỳ ampita erỳ. Tsy nilaza izany tamin’ny rainy anefa izy.
malagasy