1 Samuel 14:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nisy horohoro tao amin’ny toby sy tany an-tsaha sy tamin’ny vahoaka rehetra; ary ireo izay teo amin’ny miaramila sy ny holafitra mpandrava dia nangovitra koa; ary nihorohoro ny tany ka nisy fampangovitana avy tamin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niely tao an-toby ny fahatahorana mafy, tany an-tany lemaka ary tamin’ny vahoaka rehetra; raiki-tahotra koa ny antoko-miaramila mbamin’ny tafi-pandringanana; nihorohoro ny tany. Fahatsiravina avy amin’Andriamanitra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihorohoro ny Filistinina tafajanona tao an-toby sy ny mponina rehetra teny manodidina; tera-kovitra ihany koa mbamin’ny miaramila lohalalana sy ny mpanao vy very ny ainy. Nihovitrovitra ny tany; ka dia nisy fangitakitahana lehibe dia lehibe.
Malagasy Bible 1865
Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nisy horohoro tao amin’ny toby sy tany an-tsaha sy tamin’ny vahoaka rehetra; ary ireo izay teo amin’ny miaramila sy ny holafitra mpandrava dia nangovitra koa; ary nihorohoro ny tany ka nisy fampangovitana avy tamin’Andriamanitra.
malagasy