1 Samuel 14:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly tamin’ny olona teo aminy: Alaharo ny olona ka jereo izay niala tamintsika. Nony voalahatra ny olona dia hita fa i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Saola tamin’ny vahoaka nomba azy: «Ataovy ny matso, ka zahao izay niala tamintsika». Dia nanao matso izy ireo, ka hita fa i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany no tsy teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Saoly tamin’ireo miaramilany: –Ataovy ny fiantsoana anarana, ka jereo izay nitsoaka an-daharana. Dia natao ny fiantsoana anarana, ary tsapa ny tsy nahateo an’i Jônatàna sy ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly tamin’ny olona teo aminy: Alaharo ny olona ka jereo izay niala tamintsika. Nony voalahatra ny olona dia hita fa i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
malagasy
[Ny nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.