1 Samuel 14:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nivory i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy ka tonga tany amin’ny ady, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ny sabany, dia izy samy izy, koa nifanaritaka be ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany dia nivory i Saola mbamin’ireo vahoaka rehetra nomba azy, ka nandroso tonga hatrany amin’ny toerana niadiana; ka indro fa izy samy izy no nifamely sabatra ary efa nifanaritaka be ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Saoly ny tafiny manontolo mba handeha hiady amin’ny Filistinina izay efa nifanjevo sy nifamono ho faty tamin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nivory i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy ka tonga tany amin’ny ady, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ny sabany, dia izy samy izy, koa nifanaritaka be ihany.
malagasy
Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.