1 Samuel 14:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely izay niery tany amin’ny tany be havoana any Efraima, rehefa nandre ny nandosiran’ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra tamin’ny ady koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo lehilahy rehetra amin’i Israely, izay niery tany amin’ny tendrombohitra Efraima, nony nandre ny nandosiran’ny Filistinina, dia rafitra nanenjika sy niady tamin’ireny koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny Israelita rehetra kosa izay niery tany an-tendrombohitr’i Efraîma, raha nahare fa nandositra ny Filistinina, dia mba nanenjika azy ireo koa ka niady taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely izay niery tany amin’ny tany be havoana any Efraima, rehefa nandre ny nandosiran’ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra tamin’ny ady koa.
malagasy
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.