1 Samuel 14:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao an-katerena tokoa ireo lehilahin’ny Israely tamin’iny andro iny, kanefa i Saoly dia efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Koa tsy nisy olona nanendry hanina na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Reraka mafy ny Israelita tamin’io andro io, satria efa norahonan’i Saoly tamin’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan’ny hariva mandra-pahatò ny valifatiko amin’ny fahavalo!» Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao an-katerena tokoa ireo lehilahin’ny Israely tamin’iny andro iny, kanefa i Saoly dia efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Koa tsy nisy olona nanendry hanina na dia iray akory aza.
malagasy