1 Samuel 14:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tao anaty ala ny olona dia nahita fa nisy tantely nitsororoka; nefa tsy nisy olona sahy nanainga ny tanany ho amin’ny vavany satria natahotra ny fianianana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononòka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tanany ho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafiditra ny ala izy ireo, dia indro hitany ny tantely izay efa mitsororoka fotsiny; saingy tsy nisy sahy nikasika nihinana na iray aza fa natahotra ny ozona.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tao anaty ala ny olona dia nahita fa nisy tantely nitsororoka; nefa tsy nisy olona sahy nanainga ny tanany ho amin’ny vavany satria natahotra ny fianianana.
malagasy
Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.