1 Samuel 14:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Jonatana kosa dia tsy nandre ny nampianianan’ny rainy ny olona. Dia narosony ny lohatehiny teny an-tanany ka natsobony tamin’ny tantely ary nataony teo am-bavany ny tanany ka nazava ny masony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba nandre anefa i Jônatasy nony nampanaovin-drainy fianianana ny vahoaka, ka narosony ny loha tehina teny an-tanany dia natsoboka tao amin’ny toho-tantely ary nataony tao am-bavany ny tanany, dia nihiratra ny masony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa i Jônatàna tsy mba nahafantatra ny fianianana nampanaovin-drainy ny besinimaro; koa avy hatrany dia nanatsoboka ny lohatehina teny an-tanany tamin’ny tantely izy ary nanao izany am-bava. Dia tonga nazava terỳ ny fijeriny.
Malagasy Bible 1865
Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Jonatana kosa dia tsy nandre ny nampianianan’ny rainy ny olona. Dia narosony ny lohatehiny teny an-tanany ka natsobony tamin’ny tantely ary nataony teo am-bavany ny tanany ka nazava ny masony.
malagasy