1 Samuel 14:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy olona iray niteny taminy hoe: Rainao anie ka nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio; efa reraka anefa ity ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny miaramila iray taminy: –Ny rainao anie efa nampianiana mafy ny vahoaka ombàn’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina anio!» Izany no nampahareraka ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy olona iray niteny taminy hoe: Rainao anie ka nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio; efa reraka anefa ity ny olona.
malagasy
Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.