1 Samuel 14:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin’ny tany; koa miangavy anareo aho, jereo izato fahazavan’ny masoko satria nanandrana kely tamin’ity tantely ity aho teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jônatasy: «Nampidirin’i dada angano lahy ny vahoaka! Jereo ange ity fihiratry ny masoko, azon’ilay izaho nanandrana kely tamin’ny tantely teo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jônatàna hoe: –Efa nampidi-doza ny firenena ny raiko! Koa jereo fa toa nihanahazo hery aho hatramin’ny nihinanako kely tamin’ny tantely teo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin’ny tany; koa miangavy anareo aho, jereo izato fahazavan’ny masoko satria nanandrana kely tamin’ity tantely ity aho teo.
malagasy
Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.