1 Samuel 14:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo koa i Ahia izay nisalotra ny efoda; izy dia zanak’i Ahitoba, rahalahin’i Ikaboda, zanak’i Finehasa, zanak’i Ely, mpisoron’NY TOMPO tany Silo. Ary tsy fantatry ny olona fa lasa i Jonatana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nitafy ny efôda i Akiasy zanak’i Akitoba, rahalahin’i Ikabôda, zanak’i Finea zanak’i Helì, mpisoron’i Iaveh tany Silô. Tsy nahalala ny vahoaka, fa hoe lasa i Jônatasy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mpisorona iray nisalotra efôda teo, dia i Ahià zanakalahin’i Ahitòba izay rahalahin’i Ikabôda. (Ity Ikabôda ity dia zanakalahin’i Pinehasa ary zafikelin’i Helỳ, izay mpisoron’ny TOMPO tao Silao). Tsy nisy nahafantatra ny miaramila fa lasa i Jônatàna.
Malagasy Bible 1865
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo koa i Ahia izay nisalotra ny efoda*; izy dia zanak’i Ahitoba, rahalahin’i Ikaboda, zanak’i Finehasa, zanak’i Ely, mpisoron’NY TOMPO tany Silo. Ary tsy fantatry ny olona fa lasa i Jonatana.
malagasy
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.