1 Samuel 14:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy nilaza tamin’i Saoly ary hoe: Indro, manota amin’NY TOMPO ny olona, fa mihinana zavatra mbamin’ny rany izy. Dia hoy i Saoly: Olona mpivadika ianareo! Manakodiava vato lehibe iray ho etỳ amiko izao dia izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy nilaza tamin’i Saola nanao hoe: «Indro nanota tamin’i Iaveh ny vahoaka, fa homan-javatra miaraka amin’ny rany.» Ka hoy i Saola: «Efa nanao hadisoana ianareo, ka kodiavo vato lehibe ho atỳ amiko izao ankehitriny izao ihany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy nitatitra tamin’i Saoly fa manota amin’ny TOMPO ny olona satria mihinan-kena eo amin’ny nandatsahany ra azy. Ary hoy i Saoly hoe: –Mpamadika ianareo! Izao ankehitriny izao dia manakodiava vato lehibe mankatỳ amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.