1 Samuel 14:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa izy: Mieleza eny amin’ny olona ianareo ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko ary samia mitondra ny ondriny ka vonoy eto izany dia hano, ary aza manota amin’NY TOMPO amin’ny fihinanana zavatra mbamin’ny rany. Ary ny vahoaka rehetra dia samy nitondra ny ombiny tamin’izany alina izany ka namono azy teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Saola: «Mieleza any amin’ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny na ny ondriny atỳ amiko sy mamono azy eto, vao hihinana, ka tsy hanota amin’i Iaveh ianareo amin’ny fihinanan-javatra miaraka amin’ny rany.» Dia samy nitondra ny ombiny, tamin’ny tanany, nandritra ny alina ny vahoaka rehetra, ka namono azy teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia miparitaha any amin’ny vahoaka ka asaivo mankatỳ amiko tsirairay izy miaraka amin’ny ombiny aman’ondriny avy. Hovonoiny eto izany ka hohaniny, mba tsy hanotany amin’ny TOMPO amin’ny fihinanana izany eo amin’ny toerana andatsahan-dra azy. Tamin’iny hariva iny dia samy nitondra ny bibiny avy ny olona ka namono azy tamin’io toerana io.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa izy: Mieleza eny amin’ny olona ianareo ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko ary samia mitondra ny ondriny ka vonoy eto izany dia hano, ary aza manota amin’NY TOMPO amin’ny fihinanana zavatra mbamin’ny rany. Ary ny vahoaka rehetra dia samy nitondra ny ombiny tamin’izany alina izany ka namono azy teo.
malagasy