1 Samuel 14:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Saoly: Andeha hidina hanenjika ny Filistina isika anio alina ka hambabo azy ambara-pahazavan’ny andro; tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha ary isika hanatona an’Andriamanitra eto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Saola: «Dieny mbola alina ny andro dia ndeha hidina manenjika ny Filistinina isika; hobabointsika mandra-pahazavan’ny andro izy, ary tsy hasiantsika miangana na dia iray aza.» Hoy izy ireo: «Ataovy izay sitrakao rehetra.» Ary hoy ny mpisorona: «Andeha hanatona an’Andriamanitra etoana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hoy i Saoly hoe: –Andeha hanaovantsika latsaka alina ny Filistinina ka horobaintsika mandra-paharain’ny andro, ary dia tsy havelantsika hisy miangana na iray aza. Ka hoy ny navalin’ny miaramila azy: –Ataovy izay mahadiavolana ny fonao. Fa hoy kosa ny mpisorona hoe: –Andeha isika aloha haka hevitra amin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Saoly: Andeha hidina hanenjika ny Filistina isika anio alina ka hambabo azy ambara-pahazavan’ny andro; tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha ary isika hanatona an’Andriamanitra eto.
malagasy