1 Samuel 14:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanontany tamin’Andriamanitra i Saoly hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’ny Israely va izy? Nefa tsy namaly azy akory Izy tamin’iny andro iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanontany an’Andriamanitra i Saola nanao hoe: «Hidina hanenjika ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’i Israely va ireny?» Fa tsy nomeny valy izy, tamin’izay andro izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany an’Andriamanitra i Saoly hoe: –Hidina hamely ny Filistinina ve aho? Hatolotrao horesen’i Israely ve izy? Nefa tsy namaly azy Andriamanitra tamin’izay andro izay.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanontany tamin’Andriamanitra i Saoly hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’ny Israely va izy? Nefa tsy namaly azy akory Izy tamin’iny andro iny.
malagasy
Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.