1 Samuel 14:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha velona koa NY TOMPO izay Mpamonjy ny Israely, na amin’i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia hovonoina ho faty tokoa izy. Nefa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha velona koa i Iaveh mpanafaka an’i Israely dia tsy maintsy maty izay hahitana izany, na dia i Jônatasy zanako aza.» Ary tsy nisy namaly azy teo amin’ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velona ny TOMPO mpamonjy an’i Israely ka mianiana aminy aho, fa tsy maintsy hatao maty izay nanao izany, na dia i Jônatàna zanako aza. Tsy nisy namaly azy ny vahoaka na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha velona koa NY TOMPO izay Mpamonjy ny Israely, na amin’i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia hovonoina ho faty tokoa izy. Nefa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
malagasy
Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.