1 Samuel 14:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Asehoy izay marina. Ary i Jonatana sy i Saoly no voatondro, fa afaka ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Saola tamin’i Iaveh: «Ry Andriamanitr’i Israely ô, asehoy izay marina!» Dia i Jônatasy sy i Saola no voatondro, ka ny vahoaka afaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Saoly hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, nahoana no tsy novalianao aho anikeheo? Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, valio amin’ny antsapaka masina aho. Raha avy tamin’i Jônatàna na tamiko ny fahadisoana, dia valio amin’ny Orîma; fa raha avy amin’ny miaramila kosa, dia valio amin’ny Tomîma. I Jônatàna sy i Saoly no voatendrin’ny antsapaka, fa ny vahoaka kosa afaka madiodio.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Asehoy izay marina. Ary i Jonatana sy i Saoly no voatondro, fa afaka ny olona.
malagasy
Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.