1 Samuel 14:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary nambaran’i Jonatana taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin’ny tendron’ny tehina tetỳ an-tanako aho ary indro, tsy maintsy ho faty aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy: «Ambarao amiko izay nataonao.» Dia nambaran’i Jônatasy azy, ka hoy izy: «Nanandrana tantely tamin’ny loha tehina tetỳ an-tanako, ary inty aho manaiky ny ho faty.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Saoly taminy: –Tantarao amiko izay nataonao. Dia notantarain’i Jônatàna azy izany ka hoy izy: –Nihinana tantely kely tamin’ny lohatehina teny amiko aho. Koa intỳ aho fa vonon-ko faty.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary nambaran’i Jonatana taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin’ny tendron’ny tehina tetỳ an-tanako aho ary indro, tsy maintsy ho faty aho.
malagasy