1 Samuel 14:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saoly: Ho faty va i Jonatana izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ny Israely? Sanatria izany! Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany. Ary nanafaka an’i Jonatana ny vahoaka ka tsy maty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny miaramila tamin’i Saoly: –Ho faty hoe i Jônatàna? Dia ilay nahatonga izao fandresena lehibe azon’i Israely izao! Sanatria azy izany! Fa velona ny TOMPO ka mianiana izahay fa tsy hisy singambolony na iray aza avelanay hilatsaka amin’ny tany, satria Andriamanitra mihitsy no nanampy azy tamin’izay nataony androany! Izany no nanafahan’ny miaramila an’i Jônatàna, ka dia tsy maty izy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saoly: Ho faty va i Jonatana izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ny Israely? Sanatria izany! Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany. Ary nanafaka an’i Jonatana ny vahoaka ka tsy maty izy.
malagasy