1 Samuel 14:47 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony azon’i Saoly ny fanjakan’Israely dia niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba sy ny taranak’i Amona ary ny Edomita sy ny mpanjakan’i Zoba ary ny Filistina; izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga mpanjakan’i Israely i Saoly, dia niady tamin’ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy, izany hoe ny Môabita, ny Hamônita, ny Edômita, ny fanjakan’i Tsôbà ary ny Filistinina. Fandresena hatrany no azony tamin’izay rehetra niadiany.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony azon’i Saoly ny fanjakan’Israely dia niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba sy ny taranak’i Amona ary ny Edomita sy ny mpanjakan’i Zoba ary ny Filistina; izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
malagasy
[Ny ady nataon'i Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.