1 Samuel 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Jonatana tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ny miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika NY TOMPO satria tsy misy mahasakana NY TOMPO tsy hamonjy, na amin’ny maro, na amin’ny vitsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Jonatana tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ny miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika NY TOMPO satria tsy misy mahasakana NY TOMPO tsy hamonjy, na amin’ny maro, na amin’ny vitsy.
malagasy