1 Samuel 15:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: NY TOMPO naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no nirahin’i Iaveh hanosotra anao ho mpanjaka amin’ny vahoakany, amin’i Israely: koa henoy izay lazain’i Iaveh:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Samoela tamin’i Saoly indray andro: –Izaho no nirahin’ny TOMPO hanokana anao ho mpanjakan’ilay Israely vahoakany; koa ankehitriny henoy ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: NY TOMPO naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianao.
malagasy
[Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.