1 Samuel 15:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifoha vao maraina i Samoela mba hitsena an’i Saoly, fa nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: Efa tonga ato Karmela i Saoly. Indro, nanorina fahatsiarovana ho an’ny tenany izy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha maraina koa i Samoela hitsena an’i Saola, dia nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: «Tany Karmela i Saola nanangana tsangam-bato ho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso vao maraina, dia lasa nitady an’i Saoly i Samoela. Nisy nampandre an’i Samoela fa tonga tao Karmela i Saoly, dia nanangana tsangambato ho an’ny tenany ary lasa indray nidina hatrany Gilgala.
Malagasy Bible 1865
Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifoha vao maraina i Samoela mba hitsena an’i Saoly, fa nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: Efa tonga ato Karmela i Saoly. Indro, nanorina fahatsiarovana ho an’ny tenany izy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
malagasy