1 Samuel 15:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ny firenen’Israely va? Ary NY TOMPO nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Samoela: «Moa tsy tonga filohan’ny fokon’i Israely ianao fony ianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran’i Iaveh ianao ho mpanjaka amin’i Israely?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Samoela hoe: –Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny fokon’i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ny firenen’Israely va? Ary NY TOMPO nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely;
malagasy
Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;