1 Samuel 15:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hovalìko izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Israely, dia ny nanakanany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao àry no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tsaroako ny nanaovan’ny Hamalekita ny vahoaka israelita fony izy ireo nakarina niala tany Ejipta, dia ny nanakanany ny lalany izany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hovalìko izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Israely, dia ny nanakanany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Ejipta.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.