1 Samuel 15:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Samoela: Sitraky NY TOMPO va ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’NY TOMPO? E! Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra, ny mihaino no tsara noho ny jaboran’ondrilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Samoela: Sitraky NY TOMPO va ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’NY TOMPO? E! Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra, ny mihaino no tsara noho ny jaboran’ondrilahy.
malagasy