1 Samuel 15:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima*. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.
malagasy
Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.