1 Samuel 15:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mandehana ankehitriny ka asio ny Amalekita, ataovy zavatra voaozona izay rehetra mety ho azy, aza asiana miangana fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’osy, na rameva, na boriky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, mandehana tafiho ny Hamalekita, ary levony avokoa izay rehetra ananany fa aza asiana miangana sy indrafo. Vonoy ho faty avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza minono, na omby na ondry, na rameva na boriky.»
Malagasy Bible 1865
Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mandehana ankehitriny ka asio ny Amalekita, ataovy zavatra voaozona izay rehetra mety ho azy, aza asiana miangana fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’osy, na rameva, na boriky.
malagasy
Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy herema]