1 Samuel 15:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa mba miangavy anao aho, omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholoko sy eo anatrehan’ny Israely aho, koa andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saola: «Nanota aho! Kanefa mihanta aminao aho ankehitriny, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ny vahoaka, eo anatrehan’i Israely aho, ka handeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrao aho».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon ’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa mba miangavy anao aho, omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholoko sy eo anatrehan’ny Israely aho, koa andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
malagasy