1 Samuel 15:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Samoela: Toy ny tsy nampananan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ny reninao zanaka kosa. Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’NY TOMPO tao Gilgala i Agaga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Samoela: «Toy ny nampamoizan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no hamoizan’ny reninao zanaka kosa eo amin’ny vehivavy». Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Iaveh tany Galgalà i Agaga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hoy i Samoela taminy: –Ny sabatrao no tsy nananan’ny vehivavy maro ny zanany. Dia notetehin’i Samoela tamin’ny sabatra teo anatrehan’ny TOMPO tao Gilgala i Agaga.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Samoela: Toy ny tsy nampananan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ny reninao zanaka kosa. Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’NY TOMPO tao Gilgala i Agaga.
malagasy
Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.