1 Samuel 15:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy namangy an’i Saoly intsony i Samoela ambara-pahafatiny; eny, nalahelo an’i Saoly i Samoela. NY TOMPO kosa nanenina tamin’ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahita an’i Saola intsony i Samoela mandra-pahafatiny. Nitomany an’i Saola i Samoela satria nanenina i Iaveh tamin’ny nananganany azy ho mpanjaka amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Samoela tsy nahita an’i Saoly intsony mandra-pahafatiny; fa nitomany an’i Saoly i Samoela, satria ny TOMPO efa nanenina noho ny nifidianany azy ho mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy namangy an’i Saoly intsony i Samoela ambara-pahafatiny; eny, nalahelo an’i Saoly i Samoela. NY TOMPO kosa nanenina tamin’ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely.
malagasy
Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.