1 Samuel 15:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saoly tamin’ny Kenita: Andeha miala ianareo ka midìna hiala amin’ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo dia nanisy soa ny Zanak’Israely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Ejipta. Dia niala tamin’ny Amalekita ny Kenita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saola tamin’ny Kineanina: «Mandehana mihataka ianareo, midìna avy eo afovoan’i Amaleka, fandrao voasaroko miaraka aminy koa ianareo, fa soa no nataonareo tamin’ny zanak’i Israely rehetra fony izy nivoaka avy tany Ejipta». Dia nihataka niala teo afovoan’i Amaleka ny Kineanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy izy tamin’ny Kenita: «Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy.» Dia nisaraka tamin’ny Hamalekita ny Kenita.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Saoly tamin’ny Kenita: Andeha miala ianareo ka midìna hiala amin’ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo dia nanisy soa ny Zanak’Israely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Ejipta. Dia niala tamin’ny Amalekita ny Kenita.
malagasy