1 Samuel 15:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa i Saoly sy ny olona dia tsy namono an’i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy, ny omby, ny mifahy, ny zanak’ondry ary izay tsara rehetra, satria tsy foiny hatao zavatra voaozona ireny; ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia nataony zavatra voaozona avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy novonoin’i Saola sy ny vahoaka anefa i Agaga, mbamin’ny tsara indrindra tamin’ny ondry, ny omby, ny biby avy amin’ny terany fanindroany, zanak’ondry mbamin’izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Saoly sy ny miaramila kosa nitsimbina ny ain’i Agaga mbamin’izay tsara indrindra amin’ny biby fiompy, toy ny omby aman’ondry, mifahy na tsia, izany hoe rehefa biby tsara rehetra misy vidiny. Fa izay tsy misy vidiny sy tsy ilaina kosa dia samy naringany avokoa.
Malagasy Bible 1865
Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa i Saoly sy ny olona dia tsy namono an’i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy, ny omby, ny mifahy, ny zanak’ondry ary izay tsara rehetra, satria tsy foiny hatao zavatra voaozona ireny; ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia nataony zavatra voaozona avokoa.
malagasy
Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.[Heb. hatao herema]