1 Samuel 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Mandra-pahoviana no halahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Mandra-pahoviana no hitomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjaka amin’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Isaï any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Mandra-pahoviana no halahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.
malagasy
[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.