1 Samuel 16:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Hoy i Samoela tamin’i Jese: Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy tonga eto izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?» Dia hoy i Isaï: «Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy.» Ka hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Hampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy indray i Samoela tamin’i Jisay: –Ireo avokoa ve izy mirahalahy avy? Ka novalian’i Jisay hoe: –Ny zandriny indrindra sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry izy. Fa hoy kosa i Samoela tamin’i Jisay: –Ampanalao izy, fa tsy hanomboka ny sorona isika raha tsy efa tonga eto izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Hoy i Samoela tamin’i Jese: Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy tonga eto izy.
malagasy