1 Samuel 16:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandray ny tandroka feno diloilo i Samoela ka nanosotra azy teo anatrehan’ny rahalahiny; nanomboka tamin’iny andro iny dia tonga tamin’i Davida ny Fanahin’NY TOMPO. Dia nitsangana i Samoela ka nankany Rama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia niditra tamin’i Davida ny Fanahin’i Iaveh. Dia niainga i Samoela nankany Ramata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Samoela ny diloilo ka nararany teo an-dohan’i Davida ho fanokanana azy teo anatrehan’ny rahalahiny. Hatramin’io andro io no nilatsahan’ny Fanahin’ny TOMPO tamin’i Davida ka tsy niala taminy intsony. Dia niverina nankany Ramà i Samoela.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandray ny tandroka feno diloilo i Samoela ka nanosotra azy teo anatrehan’ny rahalahiny; nanomboka tamin’iny andro iny dia tonga tamin’i Davida ny Fanahin’NY TOMPO. Dia nitsangana i Samoela ka nankany Rama.
malagasy