1 Samuel 16:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny iray tamin’ny zatovony: Indro, ny iray amin’ny zanak’i Jese betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpiantafika izy no mahay mandaha-teny sy tsara tarehy, ary NY TOMPO momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Hitako ny iray amin’ny zanak’i Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an’ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban’i Iaveh».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony hoe: –Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin’i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny iray tamin’ny zatovony: Indro, ny iray amin’ny zanak’i Jese betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpiantafika izy no mahay mandaha-teny sy tsara tarehy, ary NY TOMPO momba azy.
malagasy