1 Samuel 16:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Samoela: Hataoko ahoana no fandeha any? Raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Hoy NY TOMPO: Mitondrà ombivavy kely ianao ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Samoela: «Hataoko ahoana no fankàny? Ho ren’i Saola izany dia hataony maty aho?» Ary hoy i Iaveh: «Mitondrà vantotr’ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an’i Iaveh no nankanesako tatỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Samoela hoe: –Ahoana no hankanesako any? Fa raha fantatr’i Saoly izany, dia ho fatiny tokoa aho. Hoy kosa ny TOMPO taminy: –Mitondrà zanak’omby iray ianao, dia lazao fa hanatitra sorona ho AHY no nahatongavanao,
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Samoela: Hataoko ahoana no fandeha any? Raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Hoy NY TOMPO: Mitondrà ombivavy kely ianao ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho.
malagasy