1 Samuel 16:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nisy fanahy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly dia noraisin’i Davida ny lokanga ka notendren’ny tanany; dia maivamaivana sady nihatsara i Saoly, ary niala taminy ny fanahy ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony injay tonga amin’i Saola ny fanahy avy amin’Andriamanitra, raisin’i Davida ny harpa, ka tendreny amin’ny tanany dia mionona i Saola sy finaritra, ary miala aminy ny fanahy ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa tonga tamin’i Saoly ilay fanahy ratsy nalefan’Andriamanitra, dia noraisin’i Davida ny harpa ka notendreny. Mba tony sy nahatsiaro maivamaivana i Saoly tamin’izany, ary dia nandao azy ny fanahy ratsy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nisy fanahy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly dia noraisin’i Davida ny lokanga ka notendren’ny tanany; dia maivamaivana sady nihatsara i Saoly, ary niala taminy ny fanahy ratsy.
malagasy