1 Samuel 16:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy i Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Samoela: «Hampiadana! Tonga hanatitra sorona ho an’i Iaveh aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny sorona.» Dia nanamasina an’i Isaï sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin’ny sorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy izy hoe: –Eny, tonga hanatitra sorona ho an’ny TOMPO aho, koa diovy ny tenanareo ho amin’izany ary andeha hiaraka amiko. Nanainga an’i Jisay sy ireo zanany hidio koa i Samoela, ary dia niangavy azy ho amin’ny sorona.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy i Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.
malagasy