1 Samuel 16:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
malagasy