1 Samuel 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namory ny miaramilany hiady ny Filistina ka tafavory tao Soko any Joda izy ireo ary nitoby teo anelanelan’i Soko sy i Azeka, dia tao Efesa-Damima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary namory ny miaramilany ny Filistinina mba hiantafika ka tafangona tao Sokao, izay an’i Jodà, dia nitoby tao Efasa-Domina anelanelan’i Sokao sy i Azeka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namory ny miaramilany hiatrika ady tao Sôkao any Joda ny Filistinina, ka nitoby tao Efesa-Damima anelanelan’i Sôkao sy Hazekà.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namory ny miaramilany hiady ny Filistina ka tafavory tao Soko any Joda izy ireo ary nitoby teo anelanelan’i Soko sy i Azeka, dia tao Efesa-Damima.
malagasy
[Ny amin'i Davida sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.