1 Samuel 17:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Davida dia zanak’ilay Efratita avy any Betlehema-Joda antsoina hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary efa antitra i Jese tamin’ny andron’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Davida dia zanak’ilay Efrateanina, tany Betlehema any Jodà, atao Isaï, izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin’ny andron’i Saola.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Davida dia zanakalahin’i Jisay avy amin’ny terak’i Efratà, izay nonina tany Betleheman’i Joda; nanan-janaka valo mirahalahy i Jisay izay efa tena antitra tamin’ny andron’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Davida dia zanak’ilay Efratita avy any Betlehema-Joda antsoina hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary efa antitra i Jese tamin’ny andron’i Saoly.
malagasy
Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;